Hita tao anaty lava-biriky : ramatoabe maty voakapa famaky

Ramatoabe 53 taona maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nokapaina famaky ny lohany, araka ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana.

Nahitana diam-pamaky teo amin’ny lohany sady vaky no pempo. Toy ny nizara roa mihitsy izany, nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary. Potika tsy nisy namantarana azy ny lohany. Ny alahady alina izy no efa tsy nody tao an-trano, araka ny fanazavan’ny taizany. Nanao fikarohana io taizany io niaraka tamin’ny fokonolona ka ny alatsinainy vao hitan’ny olona tao anaty biriky izy. Voalaza anefa fa tsy manana olana amin’ny fiarahamonina ity renim-pianakaviana ity. Tsy lavitra ity toerana nahitana ny razana ity koa no nahitana ny fatina raim-pianakaviana iray notetehin’ny jiolahy. Tapaka mihitsy koa ny ten­dan’io raim-pianakaviana io tamin’ny fotoana nahitana ny razana.
Fatin-dehilahy tsy nisy tongotra…

Hatairana koa ny an’ny mponina teny Ankidondona, fokontany Soamanjaka Ava­ratra, kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo, omaly, raha nahita fatin-dehilahy iray 60 taona tsy misy tanana sy tongotra intsony. Fofona maimbo no nahafantaran’ny olona teny an-toerana ny fisian’ity fatin’olona ity. Voa­lazan’ny mponina teny an-toerana fa mpiandry omby no nahita mialoha izany ka nampandre ny manodidina. Tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana ny satrony sy ny kapany niaraka tamin’ny tehina. Mi­sokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

J.C

Partager sur: