INDRAY MIJERY

Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo andrefana. Hahery ny ranomasina hanomboka anio ary hitohy rahampitso ny filazana fampitandremana miloko maitso, eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro.
Hiara-hiasa ny oniversiten’i Mahajanga sy
ny Université de téchnologie Tarbes-Frantsa (UTTOP). Noraiketina an-tsoratra sy natao sonia izany fifanarahana izany tany Mahajanga, tamin’ity herinandro ity. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny fifanakalozana mpampianatra sy mpianatra ary mpikaroka sy ny fametrahana fandaharam-pikarohana iraisan’ny roa tonta.
Nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina dia nanao hetsika ny Eisa mba hijerena sy handinihina ny fomba hanatsarana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy malagasy ao anatin’ny sehatra fandraisana fanapahan-kevitra. Manohy ireo ezaka hanatsarana ny fampisitrahana ny zon’ny vehivavy amin’ny alalan’ny fametrahana ny politika nasiaonaly ny minisiteran’ny Mponina.
Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tanteraka isika. Mila mitandrina tsara ireo manan-janaka madinika sy ireo tanora mora entanim-po amin’ny fitsangantsanganana eny amoron-dranomasina. Mila hajaina ny fomban-tany sy ny torohevitr’ireo olobe any am-panaovana vakansy. Vakansy ieren-doza no tanjona.

Partager sur: