Namahora: trano am-polony levon’ny afo

Hotohoton’ny afo ny tranovato roa sy tsena hazo maherin’ny folo tao amin’ny fokontany Namahora, kaominina Morondava, ny marain’ny alatsinainy 29 jolay teo. Naheno zavatra nirefotra indroa nisesy ny mponina tao amin’io toerana io, tamin’ny 2 ora maraina. Niredareda tampoka ny afo taorian’izay. Tranombarotra iray niampy toerana fanamboarana telefaonina sy trano hazo manodidina indray azon’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy. Niezaka nifehy ny firehetana ny fokonolona saingy niparitaka vetivety ny afo. Levon’ny afo ilay toeram-pivarotana enta-madinika niampy ny trano hazo fanaovana Cash point. Ahin’ireo tompon-tsena lasibatra ho fifampikasohana herinaratra no niteraka ny firehetana. Tsy nisy nipetraka tao amin’ireo trano kilan’ny afo ireo satria natao hivarotana amin’ny atoandro io toerana io. Manokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Morondava.

Tsiferana R.

Partager sur: