Tetikasa Ourson : hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo

Fotodrafitrasa hahazoana angovo avy amin’ny masoandro mirefy 88 000 m2 no anda­lam-panatanterahana ao amin’ny faritra indostrialin’ny vondrona Filatex eto Antana­na­rivo, nanomboka ny fiandohan’ny taona teo. Mamokatra herinaratra 11 megawatt izy ireo ary mbola azo haitatra hatramin’ny 14 megawatt. « Ity tetikasa Ourson ity dia hampihena ny fahatapahan-jiro sy ny vidin’ny angovo ary hiantoka asa 20 000 eto an-toerana », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny vondrona Filatex, Hasnaine Yavarhous­sen, tao amin’ny gazetiboky Choiseul. Amin’ny maha orinasa mandray anjara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina azy, ny vondrona Filatex dia mampiasa izany ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro amin’ny alalan’ny fitarafan’ny masoandro maharitra 2 800 ora isan-taona. Nambaran’ity tale jeneraly ity fa tanjon’ny vondrona Filatex ny fampitomboana ny fahafahan’ny Mala­gasy mahazo herinaratra.

Hampihena ny entona karbona
Miparitaka manerana an’i Madagasikara izay manana toetr’andro mety amin’ny fa­mokarana angovo avy amin’ny masoandro ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Anisan’izany ny ao Antsirana­na, Toamasina, Mahajanga ary Toliara. « Ireo fotodrafitrasa ireo dia hanana fahafaha-mamokatra hatramin’ny 50 megawatt », hoy izy. Namba­rany fa ity tetikasa ity, tsy vitan’ny hampitombo ny fidirana amin’ny angovo maitso fa hampihena koa ny fiankinandoha amin’ny solika sy ny fa­moahana entona karbona. Tanjona ny hampihena 156 000 taonina ny famoahana entona karbona ny taona 2025 sy hampitombo ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy herinaratra.

Jean Claude

Partager sur: