Mamita iraka any ivelany ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mihazakazaka ny fifanatonana amin’ny samy afrikanina. Omaly no nifarana ny fitsidihana tany Guinée Bissau. Raha ny voandalana, indrindra amin’ny sehatra diplaomatika aloha dia tena mahavelombolo. Manginy fotsiny ny tombom-barotra amin’ny serasera sy fampahafantarana an’i Madagasikara.
Any Angola indray ny mason’ny mpanara-baovao manomboka anio. Mbola afaka andro vitsy vao hitodi-doha aty an-tanindrazana ny mpamita iraka. Tafiditra anatin’ny asa tsy maintsy ataon’ny filoha rahateo izany. Manana adidy goavana amin’ny fitadiavana ny lalam-pampandrosoana amin’ny lafiny rehetra izy sy ny ekipan’ny mpanatanteraka. Miara-dalana aminy any rahateo ny minisitra maromaro miandraikitra ny fiandrianam-pirenena.
Mifanindran-dalana amin’izay, miteraka fanakianana goavana eto an-toerana, indrindra amin’ny tsy mpankasitraka ny fitondrana, ny fitarozahan’ny fametrahana ny governemanta. Hatakalo fitsangantsanganana ve ny raharaham-pirenena? Hoy ny sasany. Ampiandrasan-dava, tsy homen-kasiny ilay vahoaka malagasy, hoy ny hafa. Fijery hafa sy taratry ny maha demokratika an’i Madagasikara anefa izany. Anisan’ny manaporofo ny fahalalahana miteny, izay mampiavaka ny fitondrana ankehitriny.
Inona tokoa moa no hihazakazahana raha ho tratry ny miadana ihany amin’ny fandrafetana ny governemanta? Raha ny lojika aza, ireo toerana banga ihany no tokony ho fenoina. Tsy ampy handrefesana ny fahaiza-manao ny minisitra notendrena farany ireny velively ny enim-bolana lasa. Telo volana niasana, telo volana nihenahenana tanaty fifidianana. Sanatrian’ny vava ho lany andro amin’ny fanoloan’olona!
Malalaka rahateo ny lehiben’ny mpanatanteraka roa tonta hisafidy ny olona hapetraka sy ny fotoana hanaovany izany. Tompom-pahefana tanteraka.
r.r