“Carrefour de la Formation des Métiers et de l’Emploi 2024” : Tanora 8000 andrasana hitady asa sy fianarana

Hotanterahina etsy amin’ny Alliance Française d’An­tananarivo Andavamamba, ny 6 hatramin’ny 10 Aogositra izao, ny “carrefour de la formation des métiers et de l’emploi”, andiany fahavalo. He­tsika hiaraha-miasa sy tohanan’ny Telma Madagascar. Mahatratra 500 000 ireo ankizy mitady asa sy fianarana isan-taona eto Madagasikara. «Tanora manodidina ny 8000 no andrasana hitsidika sy hitady fianarana ary hitady asa eny an-toerana”, hoy Raje­riniera Adriana, tomponandraikitry ny serasera eo an­ivon’ny AFT, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika teny an-toerana, omaly. Namba­rany fa fotoana iray hanampiana ireo tanora hitady asa na fianarana hatao mba hifanaraka amin’ny talentany io fotoana io. Hampiavaka ity hetsika ity ny fifaninana ara-tetikasa, hanampiana ny tanora te ho lasa mpandraharaha. Hisitraka lelavola 800 000 Ariary ny mpandresy. Afaka mandray anjara amin’izany, ny tanora 22 taona fara fahakeliny, manana tetikasa an-tsoratra azo tanterahina tsara sy mamaly ny filana ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana.
Hizara roa ny fandahara-potoana amin’izany, raha ny fanazavana. Ahitana atrikasa sy valandresaka maro samihafa ny 6 hatramin’ny 8 aogotsitra. 2000 Ariary ny fidirana eny an-toerana ary efa azo atao ny misoratra anarana ho an’ireo izay liana. Hisy ny tranoheva maherin’ny 40 handraisan’ny orinasa sy oniversite anjara ny 9 sy 10 aogositra. Ho hita eny ny lalam-piofanana toy ny marketing, ny communication, ny tourisme et hôtellerie… Hisy koa ny fandraisana ny CV ho an’ireo tanora mitady asa mandritra ny fotoana rehetra.

Mino

Partager sur: