Caucus Africain 2024 : hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra

Resahina mandritra ny fivorian’ireo Governora Afrika­nina eo anivon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny banky iraisam-pirenena (BM) na ny Caucus Africain any Abuja- Nigeria ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra aty Afrika. Misolo tena an’i Madagasikara ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarini­rinarison Rindra Hasimbelo amin’ny maha Governoran’ny Banky iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara azy, ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), Andria­narivelo Aivo amin’ny maha- governora mpisolo toerana ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny Nosy azy. Lohahe­vitra tamin’ity taona ity ny «hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena Afrikanina :antoka ho an’ny fampandrosoana lovainjafy ny toekarena aty Afrika». Tanjona ny hananganana ny Mémorandum isan-taona ho an’ny fivoriana isan-taonan’ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izay ny hanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra hampiroboroboana ny varotra aty Afrika. Eo koa ny hampitomboana ny fahefan’ny firenena Afrikanina amin’ny fanapahan-kevitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny banky iraisam-pirenena. Voatonona amin’izay ny hampiroboroboana lovainjafy ireo paikady maharitra handraisan’ny rehetra anjara.

Mandresy lahatra
Miankina amin’ny fahafahan’ireo governora Afrikanina miara-miasa sy mamolavola tolo-kevitra iraisana sy hipaka mivantana ary maharitra amin’ ny fampandrosoana ny kaontinanta ny fahombiazan’ny fivoriana. Mitarika ny Caucus Africain 2024, ny minisitry ny fitantanam-bola Nizerianina, Wale Edun.

Henintsoa Hani

Partager sur: