CCEsca Antanimena : hikalo ny hiran’ny Kintana Telo ny tarika Johary

Hotanterahina ny ala­hady 4 aogositra 2024, ao amin’ny CCEsca Antani­mena, ny “Johary mihira Kintana telo”. Fampise­hoana iarahana amin’ny tarika Johary sy i Salomon. Araka izay lohatenin’ny fam­pisehoana izay, ny hiran’ny tarika Kintana Telo no hohirain’ny tarika Johary. Na eo aza anefa izany, hahazo ny anjarany ihany koa ny mpankafy ny hiran’ny tarika Johary. Tarika anisan’ny nametraka ny maha izy azy, teo anivon’ny mozika sy ny zavakanto Malagasy ny tarika Kintana Telo. P­rofon’izany, ny fa­nan­dratana ireo mpikambana eo anivon’ izany tarika izay anisan’ireo kintana sy andra­rezin’ ny zavakanto sy mozika malagasy. Ani­san’izany i Gabhy, izay nandrafitra ny tarika Kintana Telo, izay efa no­diman-dry. Izany in­drindra no anton’izao fampise­hoana izao ho fanandratana sy fampahafantarana izany kanto ananan’ny tarika izany.

Lin

Partager sur: