Fahatapahan’ny taolana : manome torohevitra ny HJRA

Vakansy ny andro, mihenjy milalao mihoatra ny fanaony isan’andro ny ankizy. Tranga mety hiseho ny fahatapahan’ny taolana vokatry ny fianjerana na ny dona mafy eny am-pilalaovana, na noho ny lozam-pifamoivoizana na koa mandritra ny fanatanjahantena. Raha toa ka misy olona tapaka, entina haingana eny amin’ny hopitaly avy hatrany, araka ny torohevitry ny ao amin’ny hopitaly HJRA. Misy ny sampan-draharaha misahana ny vonjy voina mandray azy ireny ao an-toerana. Mahazo ny fitsaboana vonjy aina voalohany ny marary toy ny fanafody manala fanaintainana, fanaovana fitarafana na radiographie…Manao ny fizahana avy eo ny mpitsabo “Spé­cialiste”. Mamaritra ny fitsaboana mifanaraka amin’ny mahazo ilay olona ary mandray an-tanana mivantana ny marary.
Mety ho mangana ilay faritra manaintaina ary mety hisy fiovana hita maso,toy ny mivilana na mikirazorazo ny faritra tapaka. Mety ho fivontosana na fanaintainana mafy rehefa mihetsika… Ireo no hahafantarana ny faritra misy fahatapa­hana. Misy karazany roa ny fitsaboana ny taolana tapaka azo atao ao amin’ny hopitaly. Voalohany, ny fanitsiana ny taolana sy ny tsy fanetsehana izany amin’ny alalan’ny fanasiana plâtres. Misy kosa ny tsy maintsy ilana fandidiana. Omena toromarika momba ny fikajiana ny plâtre, toy ny fitazonana azy ho madio sy ho maina ny marary.

Tatiana A

Partager sur: