Fanondranana antsokosoko : manara-maso ny sisintany ny ladoany

Manao hetsika fanaraha-maso ny sisintanin’i Madagasikara ny Fadintseranana malagasy. Anisan’ny tanjona ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko.

Nanatontosa fitsirihina fanaraha-maso ny sampandraharahan’ny fadin­­tseranana (DGD) ny fa­ran’ny herinandron’ny volana jolay teo. Natomboka tany amin’ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara, izay notarihin’ny tale jeneraly (DG) sy ny talen’ny Fanaraha-mason’ny ladoany ary ny mpiara-miasa ao amin’ny sampana Fanaraha-maso ny sisintany sy ny ao amin’ny
ady amin’ny fanondranana antsokosoko. Niainga tany Analalava, nitety ireo nosy kely mifanila aminy (Nosy Lava, Nosy Saba, Nosy Antanimora ary Nosy Valiha). Nitohy nanaraka ny sisin-dranomasina nianatsimo, ary nianavaratra hatrany Atsiranana.
Tanjona amin’ity hetsika voalohany ity ny hamoahana sarintan’ny ambana (cartographie des risques), hanatsarana sy hanamafisana ny fanaraha-maso.
Mirefy 5400 km ny moron­tsirak’i Madagasikara, izay mila fampitaovana goavana. Tsy miandry izany anefa ny sampana DGD, fa mametraka paikady maharitra hifehezana ny sisin-tany.
Nohatsaraina ny rafitra
Maromaro ny drafitra matipaika ahitana lafiny samihafa. Apetraka ny rafitra mahakasika ny fanangonam-baovao. Ampiasaina ny sambon’ny DGD iray hanaovana ny fitsirihina miampy ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharaha hafa, toy ny tafika an-dranomasina. Ampiasaina koa ny «drônes» sady ampiana isa ny fitaovana hafa.
Nohatsaraina ny rafitra, ka natao fitantanana foibe ny sampana Fanaraha-mason’ny fadintseranana, sady misahana ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko. Natsan­gana ny sampana borigady nasionaly roa, ny «Brigade d’intervention rapide» (BIR) sy ny «Brigade nationale en charge des canines», sampana mampiasa alika mpitsongo-dia.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: