Vonona hofidiana ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, araka ny hita tao amin’ny facebook an’ny HVM. Voalaza fa kandidà tsara toerana izy satria hanohana azy ireo mpitarika politika Afrikanina. Andrasana ny ho fankatoavan’ny fanjakana sy ny fanoloran’ny filoha Rajoelina azy, afahany mifaninana.
Hihaona amin’ireo mpanohana azy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Hotanterahina ao Toamasina, ny sabotsy 3 aogositra, izao izany hetsika izany. Niantsoany sy nanentanany ny rehetra ho tonga amin’io fihaonambe io. Anisan’ireo andrasana amin’izany ireo mpitarika fikambanana na olon-tsotra…
Nokianin’ny depioten’Arivonimamo, Rajerison Antoine ny tsy finiavan’ny fanjakana hanohana ny tantsaha. “Lazaina fa iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fambolena sy ny fiompiana…Dradraina koa fa hampiakarina avo telo heny ny vokatra… Tsy hita anaty tetibolam-panjakana anefa ny hanohanana ny tontolo ambanivohitra”, hoy izy.