Fifandraisana amin’ny any ivelany: fifanarahana fito no vita sonia teo amin’i Angola sy i Madagasikara

Hitohy anio ny fitsidihana ofisialy ataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara any Angola. Fifanaraham-piarahamiasa miisa fito no vita sonia, omaly.

Manga ny lanitra! Fifa­naharaham-piarahamiasa fito no nosoniavin’ny fanjakana malagasy sy angolais, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana any Luanda. Tafiditra amin’ny fihaonana eo amin’ny delegasionin’ny firenena roa tonta izany. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry sy João Lourenço. Mahakasika ny lafiny diplomasia, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, ary ny solika ny fifanarahana. Sehatra izay isan’ny mampisongadina an’i Angola.
Anisan’ny firenena telo mamokatra solika tsy mbola voadio be indrindra eto Afrika i Angola. Manondrana diamondra ihany koa. Sehatra mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana napetraky ny fanjakana hampandrosoana an’ i Madagasikara izay nosoniavina. Tafiditra ao anatin’ny andry fototry ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampirisihina ny fampiasam-bola ihany koa. Tsiahi­vina fa tafiditra amin’ny politika-panjakana, laharam-pahamehan’ny filoha Rajoelina amin’izao fitondrana faharoa izao ny fampiroboroboana ny angovo ho an’ny rehetra
amin’ny fivadihana amin’ny angovo azo havaozina.

Resaka ”visa”

Ankoatra izay, voaresaka ny fomba hanafoanana ny “visa” ho an’ireo manana pasipaoro diplaomatika na mamita iraka. Hanatsarana ny fahazoana mandefa tomponandraikitra avy amin’ny firenena roa tonta izany. “Ny fifanarahana ankapobeny mifehy ny fifandraisan’i Angola sy i Ma­da­gasikara dia hatao sonia amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahin’ny firenena roa tonta. Etsy ankilan’
izany, misy ny fametrahana vaomiera iombonana eo amin’ ny governemanta izay fomba iray ara-diplaomatika ahazoana manohy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Ra­haraham-bahiny, Rafaravavi­tafika Rasata, mahakasika izany.

Lin sy R. Nd.

Partager sur: