Fifidianana ben’ny Tanàna : hanomboka ny 12 aogositra ny fametrahana ny dosie

Efa nanolo-kevitra momba izany ny eo anivon’ny Ceni ka tokony hanomboka ny 12 hatramin’ny 26 ao­gositra ny fametrahana ny dosie ho an’ireo kandidà. Hi­voaka ny 5 septambra ny lisitr’ireo voatana ho mpifaninana ho ben’ny Tanàna sy ny mpa­nolon­tsain’ny Tanàna. Ha­nom­boka ny 12 septambra hatramin’ny 12 oktobra ny famoahana ny lisitr’ireo toe­rana ahitana ny birao fan­datsa­ham-bato. Ma­nomboka ny 29 novambra hatramin’ny 10 desambra ny fampielezan-kevitra ary hotanterahina ny alarobia 11 de­sambra kosa ny fifidianana.
Hanomboka amin’ny an­dron’ny Noely, 25 desambra hatramin’ny 23 janoary 2025 ny famoahana ny voka-pifidianana isaky ny “Tribunal admnistratif”.

20 tapitrisa Ar ny anto-bola

Tsiahivina fa anisan’ny tolokevitry ny Ceni koa ny momba ny anto-bola ka mitentina 20 tapitrisa Ar izany ho an’ ny kaominina lehibe, tahaka an’Antananarivo Renivohitra. 10 tapitrisa Ar izany ho an’ireo kaominina an-tanàn-dehibe, sokajy voalohany. Midina ha­trany izany ho an’ny kaomi­nina ambanivohitra ka miten­tina iray tapitrisa Ar mahery.
Na izany aza, ho tompon’ ny teny farany amin’ireo tolokevitry ny Ceni ireo ny eo anivon’ny governemanta, amin’ ny fankatoavana ny tetiandro sy ny momba ny anto-bola.

Synèse R.

Partager sur: