Fiofanana « Manasoa »: Omena lanja ny fahalalana malagasy

Olon’ny fahalalana ny Mala­­gasy. Hiditra ao anatin’ny dingana fahatelo ny fiofanana momba izany omen’ireo zoky sy raiamandreny, nianatra sy nandalina ary niaina ny fomba amam-panao malagasy. Ho voaboasan’izy ireo amin’izany ny lohahevitra : « Ny valiha sy ny fanahy ao aminy ». Na tsy mbola nofaritan’ny tomponandraikitra aza ny fotoana hanatanterahina ny fiofanana, nambarany kosa fa amin’ity volana aogositra ity no hanaovana izany eto Antananarivo.
Raha ny fanazavan’ Ikaky Valiha, tsy natokana ho an’ny mpitendry valiha irery akory ity fiofanana ity fa natao ho an’ny rehetra. Nosinganiny tao anatin’ izany ny mpampianatra teny ma­lagasy, ny mpandalina ny zava­panahy, ireo mianatra momba fomba amam-panao malagasy, ny te ahafantatra ny fototra.
Tsiahivina fa anisan’ny nahaliana olona maro ny an­diany roa teo aloha tamin’ity hetsika karakarain’ny fikambanana Manasoa ity. Tanjona tratrarin’izy ireo rahateo ny ham­pahafantatra ny hasina ana­nan’ny kolontsaina malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: