Fivoriambe COP: firenena hitondra vahaolana i Madagasikara

Miisa telo ny fivoriambe faratampony iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana (COP) ho hatrehin’i Madagasikara amin’ity taona ity. Voakasin’izany ny COP 16, mahakasika ny karazan-javamananaina, hatao any Colombie (21Okt-11 Nov), ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro COP 29 hatao ny (11 Nov-24 Nov) any Azerbayjan ary ny ady amin’ny fiatrehana ny tany hay COP 16 hatao any Riyadh Arabia Saodita (2 Des- 13 Des). Natao, omaly, ny fivoriana fanomanana ireo hetsika lehibe ireo, notarihin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), niaraka tamin’ireo mpisehatra voakasika rehetra eto an-toerana.
Notsipihin’ny minisitra Max Andonirina Fontaine, araka izay voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), firenena mitondra vahaolana sy ny asa i Mada­gasikara, na dia marefo aza. Nohavaozina ny paikadin’i Madagasikara, ka anisan’ny omena sehatra ny Vondrona olona eny ifotony (VOI), manampy ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana samihafa. Mila delegasiona mafonja manana traikefa, hiatrehana ny adisisika sy ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Njaka A.

Partager sur: