Kitra – D2 Nasionaly: famaranana kely ny an’ny FC Theo sy ny AS ST Anne

Hotanterahina anio, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi¬kara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny As St Anne Analamanga sy ny FC Theo Sava. Miray vondrona any Vohemar izy roa ireto, marihina fa laharana voalohany ny FC Theo ary faharoa ny solontenan’Analamanga.
Tamin’ireo lalao roa nataon’izy ireo farany, nahazo fandresena indroa nisesy ny mpilalaon’i Sava, raha toa ka ady sahala iray sy fahobiazana tokana, azon’ny tompondakan’Analamanga.
Amin’ity dingana voalohany ity, miisa efatra ny vondrona ary ahitana klioba enina avy izany. Izay telo voalohany isam-bondrona ihany no miakatra ao amin’ny dingana faharoa. Hozaraina vondrona roa indray ireo klioba 12 tafita ireo ka izay roa voalohany no hiatrika ny “Poule des AS”, izay hatao lalao mandroso sy miverina.
Ampatsiahivina ihany fa zava-dehibe ity fifanintsanana ity, hiakatra ao amin’ny «Pureplay Football League» (PFL), izay ma­hazo ny laharana voalohany sy faharoa amin’ny «Poule des AS».

Fitia Randria

Partager sur: