Nametraka fitoriana teny amin’ny zandarimaria, sampana heloka bevava ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Voalaza fa misy olona iray milaza fa maha tafiditra mpiasa ao amin’ny minisitera. Mampiasa karapanondro sandoka izy, ka miisa 12 ny olona voasolokiny, nangalany vola 1,4 tapitrisa Ar tsirairay avy. Nanao fanadihadiana ny zandary, notarihin’ny kolonely Ravelomanana Tahina, ka tratra ilay lehilahy, ary niaiky ny heloka vitany. Niakatra fampanoavana, omaly, ity farany, notazonina am-ponja vonjimaika ary hivoaka amin’ny 7 aogositra ny didim-pitsarana.
Nanazava ny talen’ny Fitantanana ny mpiasa (DRH) ao amin’ny minisitera MTP, ny Chef d’Escadron, Razanamparany Félix, fa misy ny dingana arahina amin’ny fampidirana mpiasa ao amin’ny minisitera ao anatin’ny mangarahara. Tsy maintsy avoaka an-gazety na hampahafantarina ny besinimaro, sady mila vonona ny tetibola.
Njaka A.