Mitambesatra hatrany: misy soratra, tsy mety manolatra 

Na tsy nahay nandray penina aza ny Malagasy fahiny. Tsy midika akory izany fa tsy mahay manoratra izy ireo. Tsy ny faritra avelan’ny ranomainty ihany akory no antsoina hoe « soratra » fa maro…

Raha misy kolontsaina sy zavakanto mizaka ny tsieran’ny aina, voalohany, dia ny soratra. Tsy ny mpanoratra anefa no miady amin’ny penina na ny mpamaky no manka­hala ny boky fa ilay rohy mampifamatotra ireo rehetra ireo mihitsy no marisarisa. Tranga iray tsy mety ahitam-bahaolana io. Tsy mety manolatra!
… Soratra hafa mihitsy. Ho an’ny Malagasy fahiny (mety mbola ho tazana ankehitriny ihany koa angamba), manana ny sora-danitra (soradanitra), sora-tsikidy (soratsikidy), izy ireo. Mahafantatra ny soratr’omby (soratromby), ny soratr’andro (soratrandro), sns. Tsy mbola mety manolatra (tsy sitrana) ihany hatramin’izao ny dindo ratsy navelan’ny mpanjakazaka an-tanin’olona, tamin’ireny karazan-tsoratra ireny.

Ratsy filaza ny “sasany”
Nolazain’ny vahiny fa “minomino foana ianareo”. Niteraka ratra ho an’ny fahalalana ananan’ny Malagasy izany. Noso­ra­tan’ireo vahiny mpahay sy mpikaroka momba ny tantara fa “maizina ny vanim-potoana talohan’ny nidiranay tany Madagasikara. Ny fivavahana nentinay no nitondra hazavana tao amin’io fire­nena io ”. Na, tsy niloa-bava nitsipaka sy nanda izany aza ny Malagasy, soratra tsy nety nanolatra ao amin’ny Malagasy ny fahitana an’io. Fantany tsara mantsy fa na tsy teo aza ny vahiny, hainy ny hoe: “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon’ny loha”!

Ahiana hivadika ho otrikafo handoro

misy karazan-tsoratra mametraka fery tsy tonga olatra ao amin’ny Malagasy. Mety hivadika ho otrikafo handoro izy ireny raha tsy hita sy omena fitsaboana sahaza azy. Anisan’ny goavana indrindra amin’izany ny tantara niniana nodisoina sy novaina. Vahaolana lehibe mila tanterahin’ny tsirairay sy izay rehetra manana adidy amin’ny tanindrazana ny mikaroka, mandalina ny tena zava-nisy marina… Hampahafantarina ny taranaka avy eo. Hasiam-panitsiana izay diso. Ovaina ifotony ny fandaharam-pianarana. Mifanaja amin’ny “harena ny fahasamihafana” ny Malagasy. Ampahafantarina sy ampiainana ny Malagasy, indray, fa “azy (Malagasy) i Madagasikara sy ny momba azy (Madagasikara) rehetra”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: