Nitera-doza indray! Namoy ny ainy ny mpamily iray sy olona roa hafa vokatry ny fandehanana mafy nataon’ny taxi-borosy teny amin’ny RN12, omaly.
Miseo lany ny lozam-pifamoivoizana noho ny tsy fitandreman’ny mpamily tato ho ato. Taxi-borosy mampitohy an’i Manakara sy Fianarantsoa niharan-doza teo amin’ny Bac Namorona, anatin’ny lalam-pirenena faha-12, omaly maraina. Nifandona tamin’ny fiara Mazda nitatitra olona avy any Irondro nikasa hihazo an’Analavory io taxi-borosy io. Mpandeha miisa 11 mianadahy naratra vokatr’io fifandonana io. Maty teo noho eo ny mpamilin’ilay fiara Mazda. Olona roa hafa mpandeha koa tsy tana ny ainy. Nentin’ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly ao Analavory ireo naratra. Manaraka fitsaboana akaiky ireto farany. Fehiny, olona telo maty nandritra ity tranga ity ary 11 mianadahy mianaka ireo naratra.
Skoto tra-doza
Skoto hamonjy lasy jobily faha-100 taona niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Ambohidratrimo, omaly. Nifandona tamin’ny taxi-borosy iray nifano-dalana taminy io fiara nitondra Skoto io. Tsy nisy aina nafoy, vehivavy iray no naratra. Manatanteraka soa aman-tsara ny lasy kosa ireo skoto ireo, amin’izao fotoana. Marihina, mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana rehefa vanim-potoana fialantsasatra toy izao. Manentana hatrany ny mpampiasa lalana ny mpitandro filaminana mba hanajan’ny mpamily ny hafainganam-pandeha sy hanaraka ny fenitra amin’ny fitsirihana ny fahatomomban’ny fiara ampiasaina.
Tsiferana R.