TSELATRA

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nikasa hanolana ny zana-drahalahiny. Maty ny rain’io zaza io ka ity rahalahiny ity no nandray ny fitaizana io ankizivavy 13 taona io.
Manatanteraka fitokonana faobe ny mpiasan’ny Fofifa rehetra, anio. Takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny ramatoa tale jeneraly vaovao. Tapitra, omaly, ny fe-potoana napetrak’izy ireo tamin’ny fampilazana mialoha ny 29 jolay teo. Tsy nahazo valiny mahafa-po izy ireo, ka mitsahatra avokoa ny fampandehanan-draharaha rehetra manerana ny Nosy.
Olona roa naratra nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Ambatolahy V, kaominina Fianarantsoa, afakomaly alina. Tsaboina eny anivon’ny hopitaly Andrainjato ny maratra amin’izao fotoana.

Partager sur: