VAOVAO TAMBATRA

Niakatra 22,64% ary mihoatra ny salan’isa eto Afrika ny vokatra azon’i Madagasikara tamin’ireo tetikasa novatsian’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny taona 2024. Navaozina ny fitantanam-bolan’ireo tetikasa ka nahazoana izao vokatra izao. Tsiahivina fa 14%ny salan’isa azontsika tamin’ny taon-dasa.

Afaka misitraka ny fandaharanasa Fihariana avy amin’ireo banky mpiara-miombon’antoka aminy ireo orinasa madinika sy salantsalany eto Madagasikara. Misokatra ho an’ireo rehetra ny fametrahana dosie ao amin’ny tranokala Fihariana.mg na manantona mivantana eny amin’ny biraon’ny delegen’ny Fandaharanasa manerana ny faritra.

Hanohana sy hampandany ny volavolan-dalàna hanatanterahana ny tetikasa momba ny fanondroana ara-jeografika ireo solombavambahoaka telo voafidy ao amin’ny faritra Itasy. Manome lanja ny vokatra avy amin’ny toerana niaviany ny tetikasa sady mampiakatra ny kalitaon’ny famokarana any amin’ny faritra.

Hanao lavanty ampahibemaso ny fiara efa niasa marika «chevrolet» ny masoivoho Amerikanina. Ho hita eo amin’ny faritra fitobian’ny fiaran’ny Masoivoho Amerikanina eo Andranoro Antehiroka, ny alarobia 14 aogositra, amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro ny fiara.

Partager sur: