Tonga nilalao sady nilomano teo amin’ny ranomasina tsy lavitry ny seranan-tsambo ao Vatomandry ny ankizilahy iray 15 taona, afakomaly. Tampoka teo, tsy hita izay nanjavonany. Nikoropaka avokoa ireo namany mpiara-dia aminy avy aty an-dRenivohitra. Vory lanona ny olona teo amoron-dranomasina saingy niala maina avokoa ny rehetra. Nanampy tamin’ny fikarohana ny mpanjono ka tonga ihany koa i Lalaina zanadrano. Efa tamin’ny 4 ora sy 30 mn tolakandro vao hita ny vatana mangatsiakan’ilay niharam-boina. Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra izao. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Anisan’ny ranomasina mahery sady tsy azo ilomanosana rahateo ny ranomasina ao Vatomandry. Nanamafy izany rahateo ny tompon-tany ao an-toerana mba hitandreman’ny tsirairay amin’izao fialantsasatra izao.
Sajo