Voatoraka “lacrymogène”: mpianatry ny Politeknika, maratra mafy!

Andro fahatelo amin’ny fitakiana ataon’ny mpianatra, omaly. Nisy ny naratra ho an’ny andro roa voalohany, fa mafy kosa ny fiantraikan’ny lacrymogène tamin’ny mpianatra iray voatery nentina haingana teny amin’ny HJRA. Mitohy ny hetsika hoy ny mpitarika.

«Mpianatra eny amin’ ny politeknika Vontovorona no voan’ny lacrymogène notifirin’ny mpitandro filaminana teo amin’ny maso ka naratra mafy», hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny fitokonana, omaly. «Noentina teny amin’ny hopitaly tsy miankina teo an-toerana izy fa nanda tsy nandray azy ny mpiandraikitra ny toeram-pitsaboana», hoy hatrany ny fanazavana. Vo­kany, ny fiaran’ny mpitandro filaminana ihany no nitondra azy teny amin’ny HJRA.
15 m ny elanelan’ny mpianatra mpitarika ny hetsika sy ny mpitandro filaminana ka nahatonga ny fahavoazana mafy, araka ny fanadihadiana natao. «Tsy nisy fampitandremana mialoha nahafahana nihemotra fa avy hatrany dia nitifitra lacrymogène ny mpitandro filaminana», hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vonotovorona, Stéphano Hajalalaina, omaly. Efa tamin’ny volana jona no nampanantena ny tomponandraikitra samihafa fa hozaraina ny vatsim-pianarana enim-bolana. Hifarana afaka iray volana ny taom-pianarana nefa tsy misy tokotaniny ny vola hatramin’izao. Ny fotodrafitrasa nambara fa hatsaraina tsy nisy fikitihana koa hatreto ka sorena ny mpia­natra.

Araka ny lalàna
Nilaza ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa nanaja ny fenitra sy ny lamina araka ny lalana izy ireo. Misy ny mpanararaotra ka miditra anatin’ny hetsiky ny mpianatra mba handotoana azy, hoy ny fanazavana avy amin’ny tomponandriakitra. «Tsy manana olana amin’ny mpianatra izahay, fa miezaka ny mampihatra ny lalana mba hitandroana ny filaminam-bahoaka. Tsy miditra amin’izay resaka fototry ny olana izaya, fa mitady ny fomba isorohana ny mety ho fihoram-pefy», hoy ny manamboninahitra nanontaniana.
Marihina fa efa misy ny daty ho an’ny famoahana ny vatsim-pianarana, hoy kosa ny avy eny amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
Mitohy anio ny fitokonana !

Vonjy

Partager sur: