Baolina kitra : hatao any ivelany avokoa ny lalaon’ ny Disciples sy ny Elgeco Plus

Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus.

Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany fa atao any ivelan’i Ma­dagasikara avokoa ireo lalao mandroso hatrehin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC eo amin’ny fiadiana ny amboara sy ny ho tompondakan’i Afrika.
Noho ny tsy fananan’i Ma­dagasikara kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), ny anton’izany. Raha ho an’ny Elgeco Plus, izay hifanandrina amin’ny CD Lunda Sul Angola eo amin’ny fiadiana ny amboa­ran’ny kaonfederasiona, fantatra fa hatao ao amin’ny kianja Estadio 11 De No­vembro Luanda avokoa ny fi­haonana. Lalao mandroso hatao ny alarobia 21 aogositra izao ary ny sabotsy 24 aogositra ny miverina. “Metimety aminay izany satria mihena ny fandaniana sy ny havizanana. Raha atsy Maurice mantsy ny anaovana ny lalao mandroso, tsy maintsy mody eto Mada­ga­sikara nefa ny elanelan’ny andro hanaovana ny lalao miverina fohy kely. Vonona ny mpilalao hiatrika izany”, hoy i Raux Auguste mpanazatra ny Elgeco Plus.
Hatao ao amin’ny kianja Côte d’Or National Sport ao Maurice ny fihaonana voalohany hifandonan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka. Ho­tanterahina ny alahady 18 ao­gositra izany.
Tsy mbola navoakan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) kosa ny daty sy ny toerana hanatontosana ny fihaonana miverina eo amin’ny roa tonta. Ny azo antoka aloha, tsy maintsy hatao atsy Afrika Atsimo izany. Manana kianja maro nahazo fankatoavana avy amin’ity rafitra misahana ny baolina kitra aty Afrika mantsy izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: