Dingana vaovao ! Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Antokon-draharaha fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara (EDBM) sy ny trano fiantohana Aro.
Nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny EDBM, Rtoa Rakotomalala Lantosoa, fa natao ity fifanarahana ity, entina hampandrosoana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ho an’ny mpandraharaha eto an-toerana (IDN) sy ny any ivelany (IDE). Eo koa ny fahafahana miatrika ny loza na ny ambana amin’ny fandraharahana, hanomezana azy ireo antoka ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
Nanamafy ny PCA-n’ny Fiantohana Aro, Ramanampanoharana Andry, fa ivon’ny fampiasam-bola ny fametrahana tontolo manamafy ny fahatokisan’ny mpampiasa vola. Ao anatin’izany ny fanomezana azy ireo tolotra mamaly ny filany. Anjaran’ny EDBM ny mametraka tolo-dalàna mifanandrify amin’izany.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny EDBM, Rtoa Rafidy Onisoa Josielle, fa tanjona ny hampiroboroboana sy ny fanamorana ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Izay no nahatonga ny fametrahana birao tokana (guichet unique), ahitana ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ilain’ny mpandraharaha arakaraka ny seha-pihariany avy. Eo koa ny namoahana ny lalàna vaovao mifehy ny fampiasam-bola, nivoaka tamin’ny taona 2023, mamaritra ny fiarovana ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
Ho an’ny rehetra ny fiantohana
Maro lafy ny sehatra hiantohan’ny orinasa Aro. Nohazavain’ny tale jeneraly vonjimaika roa, Rakotoarisoa Tahiana sy Rahamalivony Herinjaka, fa natao ho an’ny rehetra ny Fiantohana Aro. Ho an’ny olon-tsotra, ny fiara, ny fitaovam-pamokarana, ny trano, hain-trano, sy ny hafa. Tolotra vaovao ity ho an’ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola ity fanomezana antoka ity.
Tanjona iraisan’ny roa tonta sy ny mpandraharaha ny hisian’ny tontolon’ny fandraharahana azo antoka sy maharitra, mba hitondra fampandrosoana ara-toekarena ho an’i Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy