Fampidirana mpianatra : mbola vitsy ny nanoratra anarana

Tsy dia marisika manoratra ny anaran-janany any an-tsekoly ny ray aman-dreny hatramin’izao, raha ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 20 hatramin’ny 30 % ny tahan’ny ray aman-dreny nahavita izany, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sekoly tsy miankina. “Variana amin’ny famitana adidy maro samihafa, toy ny famadihana sy mbola any am-pialana sasatra izy ireo ka mety ho anton’izany”, hoy ny talen-tsekoly tsy miankina iray etsy Anosibe. Any amin’ny tapaky ny volana aogositra any vao ho betsaka ny hamerina sy hisoratra anarana eny anivon’ny sekoly. “Mbola manomana vola izahay ahafahana mampiditra ireo zaza any an-tsekoly noho ny fiakaran’ny saram-pisoratana anarana”, hoy Nirina, raim-pianakaviana nanontaniana. Nambarany fa ilaina fanomanana avokoa ny fandoavana ny saram-pisoratana anarana sy ny fividianana ny fitaovam-pianarana rehetra.

30 000 hatramin’ny 100 000 ariary ny saram-pisoratana anarana
Nahitana fiakarany kely avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina eto an-toerana. Manodidina ny 30 000 hatramin’ny 100 000 Ariary eo izany amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ho an’ny sekoly tsy miankina sasany, tsy nandovam-bola ny “frais généraux” sy ny “assurance” ary ny kojakoja maro samihafa. Antony iray nampihena ny saram-pisoratana anarana ho an’ny sekoly tsy miankina sasany. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranana eo amin’ny ray aman-dreny, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka ny volana mey lasa teo ny fanentanana ny ray aman-dreny hanoratra ny anaran-janany. Mbola mitohy foana izany mandra-pahafeno ny toerana.

Mino

Partager sur: