Faribolana Sandratra : hisy ny fifaninanana miantsa tononkalo

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Hisy ny fifaninanana miantsa nampitondraina ny lohateny : «Andeha isika hamorona olona tahaka antsika». Tononkalon’ny Faribolana Sandratra no antsain’ny mpifaninana. Tsy azon’ny mpifaninana hafa atao, ny miantsa ny sanganasan’ny mpanoratra efa nisy nisafidy. Mpanoratra iray, an’ny mpifaninana iray. Mandritra ny dingan’ny fifanintsanana, tsy misy mpanoratra miverina. Tsy latsaky ny 1mn ary tsy mihoatra ny 2mn ny faharetan’ny antsa iray. Tsy afaka mampiasa zavatra hafa toy ny feon-kira na olona hanampy, sns, ny mpifaninana. Mandritra ny dingan’ny fifanintsanana 24 aogositra, ny mpiray faribolana no hitsara ny tolotra omen’ny mpifaninana tsirairay. Hiampy olon-kafa kosa izany amin’ny dingan’ny famaranana ny 28 septambra izao ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton-dRanavalona I (Tohatohabaton’Antaninarenina).
Hahazo fankasitrahana avokoa ireo tafakatra eo amin’ny dingan’ny famaranana. Ny telo voalohany kosa no hahazo ny «loka».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: