Faritra arovana an-dranomasina : hampitomboina 2,5 tapitrisa ha ny velarana

Hampitomboina 2,5 tapitrisa ha ny valan-javaboary an-dranomasina sy amorontsiraka harovana ho an’ny taona 2026 raha toa ka 1,5 tapitrisa ha. Voakasika ao anatin’izany ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara misy ireo nosy kely marobe. Ny avy eo Maintirano mipaka any Toliara ary ny eo Toliara hatrany Taolagnaro. Izy ireo izay ahitana ireo karazan-jamananaina tsy misy afa-tsy eto Madagasikara sy ahiana ho lany tamingana ka mila fitantanana manokana. Voafa­ritra, omaly, nandritra ny atrikasa nataon’ny tetikasa Gef6-AMP teny Andrianarivo ireo voka-pikarohana hametrahana ny faritra harovana misy eto amintsika « Key Biodiver­sity Area » (KBA). Tanjona ny hiarovana ny rohivoara sy ny toekaren’ny mponina mivelona amin’ny ranomasina. «Miaina tsindry isan-karazany ireo karazan-javamananaina ka mila arovana hitsinjovana ny taranaka any aoriana », hoy ny tale jeneralin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, sampana haitondra ara-tontolo iainana, Razafindrabe Rinah. Nilaza izy fa sarotra ho an’ny rohivoary ny iveloman’ireo biby sy ny vatoara raha potika ny tontolo iainana an-dranomasina.

Henintsoa Hani

Partager sur: