Fitrandrahana ala tsy ara-dalàna : dimy lahy naiditra eny Tsiafahy

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra mpitrandraka hazo sa­robidy tra-tehaky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fan­drosoana Lovainjafy, afakomaly. Nitatitra hazo voamboana tao anaty kamiao, voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ka noraisim-potsiny ireo mpitrandraka. Miisa 122 ireo ka­razan-kazo sarobidy tsy azo trandrahana. Nahitana karazan-kazo sarobidy hafa nitotaly 162 tao amin’io fiarabe io. Tamba­jotra ikoizana amin’ny famotehana ala ireto tra-tehaka ireto. Mpitrandraka ao amin’ny distrikan’i Moramanga sy avy ao Tsiroanomandidy izy ireo. Nogiazana ireo hazo sarobidy re­hetra sarona. Natolotra ny fampanoavana taorian’ny fanadihadiana ireo olona dimy ka indray notanana am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: