Handeha hitsabo tena : raim-pianakaviana maty voafaokan’ny Tuc tuc

Nivoaka ny trano hamonjy toeram-pitsaboana ity raim-pianakaviana, omaly. Tra-doza teny
an-dalana anefa izy. Voafaokan’ny Tuc tuc ka tsy tana ny ainy.

Voadona mafy ny lohany, namoy ny ainy ny lehilahy iray manodidina ny 40 taona nandritra ny lozam-piarakodia tao amin’ny Rond-point Ambohimasina, kaominina Ambatondrazaka, omaly. Ani­san’ny mpandalo teny amin’ny sisin-dalana, voafokan’ny Tuc tuc tampoka io lehilahy io. Tsy nahafehy ny familiana ny mpamily, araka ny angom-baovao natao tamin’ny mpitandro filaminana.
Nidona tamin’ny sisin-dalana ilay Tuc tuc ka nifatratra ta­min’ilay raim-pianakaviana teo amoron-dalana. Nikarapo­ka ta­min’ny tany avy hatrany ity farany. Tsy nahatsiaro tena ka niezaka nanavotra azy teny amin’ ny hopitaly ireo nanatri-maso. Tsy tana intsony anefa ny ainy. Nikasa hitsabo tena tao Amba­tondrazaka ilay raim-pianakaviana no tra-doza tampoka. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.

Tsy nahatsiaro tena
Voa mafy samy tsy naha­tsiaro tena, ny mpitondra moto roa nifandona teo Ambanidia, anatin’ny boriborintany faharoa, ny alin’ny alakamisy teo. Samy nandeha mafy, nifandona tampoka ny moto roa. Tapaka ny rantsan-tanan’ny mpitondra moto iray ary torana tsy nahatsiaro tena ny iray. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly ireo roa lahy voa mafy. Marihi­na, fotoam-pialantsasatra izao. Maro ireo fiara mifamezivezy indrindra eny amin’ny lalam-pirenena ka nahatonga ny Foi­be fitsarana fiarakodia nanao fanentanana ireo mpitondra fiara. Toy ny tsy fanaovana dona miverina ho an’ireo mpitondra taksiborosy sy fananana mpamily mpanampy ho an’ny lalana mihoatra ny 400 km. Fitsirihana ny fiara mialoha sy aorian’ny fandehanana lavitra.

Tsiferana R.

Partager sur: