Mamarana ny fiofanany amin’ny alalan’ny fihaonana an-tampony atao aoWashington DC ireo tanora Malagasy nahavita ny fiofanana Yali Mandela…(MWF) 2024. Samy nandranto fahalalana tany amin’ny Oniversite nivantanany avy izy ireo ka mihaona miaraka amin’ireo mpiofana rehetra nisitraka ny vatsim-pianarana.
Tanterahina ao Fianarantsoa, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana sekoly katolika eto Madagasikara. Fotoana hitondra am-bavaka ny fanabeazana sy hanaovana hainga vao indray ho an’ny taom-pianarana vaovao ny hetsika izay handraisan’ny sekoly katolika rehetra anjara.
Natokana ho an’ny mpianatra sy ny mponina amin’ny manodidina ny Campus Ambondrona-Mahajanga ny hetsika fanentanana “ady amin’ny VIH/Sida sy ny fitiliana maimaimpoana”, natao ny faran’ny volana teo. Liana ny mpianatra ka tonga maro nanao fitiliana tao amin’ny Complexe sportif Ambondrona.