« Iray volan’ny Varatava » : miditra amin’ny andiany fahenina ny hetsika

Taorian’ny iray volan’ny hosodoko, miditra amin’ny iray volan’ny varatava indray ny fianakaviamben’ny mpankafy sary. Misokatra ary natao ho an’ny rehetra izany.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivon-toeran’ny Kolon­tsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny «Iray Volan’ny Varatava». Hetsika karakarain’ny fikambanana Varatava, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolon­tsaina. Miditra amin’ny andiany fahenina izany amin’ity ta­o­na 2024 ity, nampitondraina ny lohahevitra hoe «Mada­ga­si­kara sy ny tontolony». An­ko­atra ny fanehoana  ny talenta sy fahaiza-manaon’ireo mpikambana eo anivon’ny Vara­tava, tanjona ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny zavakanto, indrindra ny fanaovana sary.
Handravaka ny eny amin’ ny IKM Antsahavola, mandritra ity volana aogositra ity, ny fampiratiana «Madagasikara sy ny tontolony», ao anatin’ny «Iray volan’ny Varatava». An­ko­atra ny fampiratiana. He­tsi­ka maro koa no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny atrikasa manodidina ny fanaovana sary varatava. Eo ihany koa ny velakevitra iarahana amin’ny filohan’ny fikambanana Varatava. «Inona no atao raha te ho lasa matihanina eo amin’ny sehatry ny zavakanto» io no horesahina sy hovelabelarina ao anatin’izany velakevitra izany. Hisy ihany koa ny fifaninanana sary izay misokatra ho an’ny rehetra.
Anisan’ny zavakanto ilaina talenta sy fahaiza-manao ny fanaovana sary. Tsy mijanona amin’izay fotsiny anefa fa ilaina ny aingam-panahy amin’ny maha zavakanto azy. Raha ho an’ny eto Madagasikara ma­no­kana, zavakanto efa nanana ny toerany hatramin’izay ny fanaovana sary. Anisan’ny anton’izany ny fampidirana ao anatin’ny fandaharam-pianarana, izay mamoha ny talen­tan’ny ankizy dieny mbola kely. Mampivelatra izany koa ny fisian’ireo fikambanana sy ivontoerana mampivelatra sy mampiroborobo izany.

Lin

Partager sur: