Kick Boxing-Mada 2024: nijerena ny hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena

Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Maha­masina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja Kick Boxing. Fifanina­nana nijerena izay mendrika hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Mpikatroka 182 avy amin’ny ligim-paritra 14 no tonga nifanina nandritra ny fifaninanam-pirenena 2024 ity. 108 tamin’izy ireo no niatrika famaranana, izany hoe, ady 54 no nitranga nandritra izay famaranana natao. Namba­ran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny kick boxing, ny Jeneraly Lylyson René de Rolland fa tafiditra anatin’ny rafitra sy fandaharanasan’ny federasiona ny fanatanterahana fifaninanam-pirenena. Ankoatra izay, hijerena izay mpikatroka afaka hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa, anisan’izany ny fiadiana ny tompondakan’i Afri­ka, hatao ny volana desambra izao. “Vaovao mahafaly ho an’ny tontolon’ny kick boxing malagasy, ny fahafantarana fa anisan’ny hifaninanana amin’ny lalao olympika manaraka, ny kick boxing. Efa miomana amin’izany dieny izao i Mada­ga­sikara”, hoy hatrany ny nambaran’ity filohan’ny federasiona malagasin’ny kick boxing ity. Nohamafisiny ihany koa fa efa manana teknika tsara ny mpikatroka malagasy fa eo amin’ny “endurance” sisa no mila hampitomboana.
Marihana fa ezaka manokana nataon’ny federasiona no nahavitan’ity fifaninanana ity, izay notsipihan’ny filohany fa tsy nahazo fanampiana tamin’ny minisitera izy ireo na kely aza. Raha ny vokata kosa, anisan’ny nisongadina ny mpikatroka avy eto Anala­manga. Hotaterina miandalana ihany ny vokatra rehetra.

Mi.Raz

Partager sur: