Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’i Bemokotra Anasy, kaominina Bemokotra, distrikan’i Maintirano, omaly. Nandroba omby am-polony ny dahalo nanafika tao amin’io kaominina io. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, voatifitra ny dahalo iray. Naratra ny namany hafa saingy tafaporitsaka. Latsaka teny amin’izy ireo ny omby 50 mahery. Naverina amin’ny tompony avy hatrany ireo omby ireo. Mitohy ny hazalambo atao an’ireo mpandroba. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Manentana ny fokonolona ao an-toerana ny zandarimaria hisian’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ahafahana misambotra ara-potoana ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.