Notanterahina omaly, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Lavon’ny FC Theo Sava, 1 no ho 0, tany Vohemar, ny ekipan’ny AS ST Anne Analamanga. Marihina fa nahazo karatra mena telo ny solontenan’Analamanga tamin’ity fihaonana ity.
Anio no hiakatra an-tsehatra amin’ny lalao Olympika, izay hatao any Paris, i Holy Antsa, vehivavy malagasy mpilomano sokajy 50 m “nage libre”. Nilaza ny tenany fa hiezaka ny hiaro ny voninahim-pirenena ary hanamotsana ny zava-bitany tsara indrindra tamin’ny fifaninanana rehetra nataony.
Araka ny fanambarana hita tao anaty tambajotra-tseraseran’ny Malagasy Rugby, omaly, hotanterahina ny talata ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifantenana ny mpilalao izay handrafitra ny Makis sokajy “seniors” lehilahy. Miisa 72 mirahalahy izy ireo no voaantso hanao izany.
Hotanterahina rahampitso, any Etazonia, ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonan’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid. Ekipa roa sangany ao Espagne
izy ireo, ary toy ny famaranana kely foana ny fifanandrinan’ny roa tonta. Tsiahivina fa tamin’ity taona
2024 ity, tsy mbola nandresy ny Real Madrid mihitsy ny Barça.