Tale jeneralin’ny Bianco: “Ireo mpandray isam-bolana no manao kolikoly”

Tafapetraka, omaly, ny vatofototra ho fanorenana ny fotodrafitrasa hiasan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ato anatin’ny faritanin’ i Toamasina. Nahitsy ny tale jeneraly, Andrianirina Laza, tamin’ny lahateniny.

“… Matetika ireo mpikarama isam-bolana no mpandray kolikoly raha ireo madinika kosa no iharan’izany. Tena misy fiatraikany amin’ny sarambabem-bahoaka tokoa izany”, hoy izy. Nanteriny fa tena fanetriben’ny taranaka any aoriana ny voka-dratsin’ny kolikoly raha vao isika raiamandreny amin’ izao fotoana izao no tsy handray andraikitra hiady amin’ izany, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa firenena manana otrikarena i Madagasikara. Notanisainy tamin’izany fa eo ny harena ambanin’ny tany. Ny anaty ranomasina, tena midadasika ary ny ala sy ny rano. Eo koa anefa ny harena ambonin’ny tany, araka ny nambarany hatrany.
Nanteriny fa mamatsy vola izao fanorenana fotodrafitrasa izao ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. “Midika fahavononan’ny fitondrana ny hiady amin’ny fahalovana sy kolikoly eto amin’ny firenena”, hoy ihany izy.

Mirongatra ny kolikoly ao amin’ny kaominina

Etsy andaniny, niaky teo amin’ny fandraisam-pitenenany ny ben’ny Tanàna, Rakoto­ni­rina Nantenaina fa misy sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny kaominina Toamasina. “Tsy tery lalana anefa ny ratsy ka mbola mi­rongatra izany hatreto”, hoy izy. Anisan’izany ny eo amin’
ny lafiny sora-piakohonana sy ny fanorenana fotodrafitrasa. Ny fametrahana ireny “Kios­ka” sy tsena ireny, araka nambarany. Eo koa anefa ny kolikoly goavana nitranga teo amin’ny trano hevan’ny Miami. Efa tonga hatrany amin’ny raharaham-pitsarana izany amin’izao fotoana izao.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: