Tena mafy ny ady !

 

Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy maha­sakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava.
Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy ny fanaovana didim-poitra eto
an-tanàna. Mirarakompana ny famoaham-bola avy amin’ny mpianakavy. Tsy misy ankitsitsitsitsy izany. Ny babampa tsy maintsy mafana. Ny fakana « rano mahery » tsy maintsy mahoraka. Ny mpilanonana tsy maintsy mihinana « be menaka » sy mimamo. Tsy fety rahateo ny fety raha vao mihafihafy ny mpanotrona.
Vanim-potoana tokony hanamafy ny fifankatiavan’ny samy Malagasy ny tahaka izao. Tsy misy ambohimpihaonana tahaka ireo fomban-drazana roa samy hafa ireo angamba eto Madagasikara. Na ny olona miady aza mamitram-pihavanana. Ny tsy nifampiteny, nifankahazo am-po tampoka. Ny disadisa nihofo ho fizarana teny mamy sy fifampaherezana. Ny lolom-po nivadika ho fifamelana.
Izany eo ihany ! Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa ny vesatra sy ny mety ho trosa misavovona amin’ny fandaniana mihoa-pampana. Tsy vitan’ny fety ny volana jolay hatramin’ny septambra. Adidy iray ambony ampanga ny fampidirana ny mpianatra. Tsy ny saram-pianarana ihany, na ny sara-pisoratana anarana fa ny vidin’ny fitaovana dia mampiteny ny moana. Tsy an-jaza ny vidin’ny kahie sy ny penina, ary ny fanamiana sy ny kitapo.
Tsy moramora ny miandry ny ray aman-dreny, ankehitriny. Mivoaka toy ny « rano » ny vola. Tsy mifanentana amin’izay ny miditra ao an-tokantrano. Mihidy sy mitsitaitaika ny fahatongavany. Mandalo dia misera. Manao tsidi-pahitra fotsiny ! Tena mafy ny ady !

r.r

Partager sur: