“Aminay, tsy tokony hahazo hirotsa-kofidina izany mahaleo tena izany. Raha afa-mirotsa-kofidina ny mahaleo tena, tsy misy antony anaovana antoko politika”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), eo anivon’ny RMDM, Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana kaominaly. Ny lalàm-pifidianana tsy mbola voasolo dia ny eo ihany no ho eo, raha mbola ny rafitra nitondrana ny fifidianana hatramin’izay ihany no hitondrana ny fifidianana ben’ny Tanàna izay tena akaiky vahoaka. Noho izany, mila hamboarina ny lalàm-pifidianana hilana ny kajikajy. Atambaro ho lalàna iray manontolo ho an’ny vahoaka iray manontolo mba hisian’ny filaminana.
“Mitaky hatrany izahay ao anatin’ny antoko Vahoaka miray hoe amboary ny lalàm-pifidianana, amboary ny Ceni sy ny HCC. Satria mampiahiahy ny olona ny Ceni sy ny HCC”, hoy izy. Ny lalàm-pifidianana, misy zavatra tena hita hoe tsy mety ao anatiny raha tsy hilaza afa-tsy izay firotsahan-kofidin’ny mahaleo tena amin’ny fifidianana izay, ohatra. Tsy atolotry ny antoko politika izany mahaleo tena izany, ka mety ny volany no mibaiko azy: matetika miandany atsy na aroa. Iaraha-mahita izao ny Antenimierampirenena. Nefa izay izy mahaleo tena izay no anton’ny nifidianan’ny olona azy. Tena ho tsy miandany no tadiavin’ny vahoaka aminy. Sanatria, lasa namita-bahoaka indray izy: ireny ny vokatra… Manana alalana ara-panjakana hirotsaka koa ny antoko politika. Satria izay no maha antoko politika ny antoko politika.
R. Nd.