Vono olona : lehilahy voakapa famaky teo amin’ny hatony

Nampihoron-koditra ! Ni­trangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny fokontany Morafeno, kaomi­nina ambanivohitr’i Fanam­bana distrikan’i Vohémar, afa­ko­maly. Hita nitsilany tao anaty kirihitr’ala tsy lavitra ny tanànan’i Morafeno ny lehilahy iray 29 taona, mpamboly, efa mihosin-dra sady nahitana diam-pamaky teo amin’ny hatony. Nidina teny an-toerana nahitana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny do­kote­ra rehefa nahazo antso ta­min’ ireo olona teny amin’ny ma­nodidina. Nan­dritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera no nahitana fa novonoina izy. Ma­­napo­rofo izany rahateo ny fisian’ny diam-pamaky teo amin’ ny hatony. Taorian’ny fi­tsiriha­na nataon’ny dokotera sy ny zandary, nomena ny fianakaviany avy hatrany ny ra­zana. Nano­me baiko ny toniam-pampanoa lalàna mba hanao fikarohana ireo jiolahy mety ho nahavanon-doza. Andrasa­na ny tohin’ ny fandihadiana.

J.C

Partager sur: