Zotra nasionaly: nahitana fiakarany 5000 Ar ny saran-dalana

Nanomboka nampiakatra saran-dalana ny koperativa sasany mankany amin’ny zotra nasionaly, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nahitana izany ny koperativa “Soa trans” etsy Andrefanambohija­nahary, raha ny fanadihadiana natao. “Nampiakarina ho 5000 Ariary isaky ny toerana ny saran-dalana ho an’ny zotra nasionaly miainga eto Antana­narivo, ankoatra an’i Moron­dava”, hoy ny tomponandraikitra iray ao an-toerana, Rakotoarivelo Tiana. Vokany, lasa 50 000Ariary ny saran-dalana mankany Fianarantsoa amin’izao raha toa ka 45 000 Ariary izany teo aloha. 80 000 Ariary ny mankany Farafan­gana, 65 000 Ariary ny mankany Manakara, 70 000 Ariary kosa ho an’ny Mahajanga. Nambarany fa noho ny haratsian’ny lalana sy ny habetsahan’ny vola mivoaka hanamboarana fiara rehefa simba no anton’ny fampiakarana.
Nampahafantarina iray volana mialoha
Mba tsy ho tampoka ta­min’ ny mpandeha, efa nampahafantarana efa iray volana mialoha izany. Efa nisy koa ny dini­ka natao tamin’ny minisitera tomponandraikitra. Noha­ma­fisiny fa natao io saran-dalana io mba tsy haha fatiantoka sy hifampitsinjovana eo amin’ny roa tonta. Hatramin’ izao, tsy nanisy olana ny fiakaran’ny saran-dalana ny mpanjifa. Nilaza ireo mpandeha nanontaniana fa tsy maha fatiantoka izany raha mifanaraka amin’izany ny kalitaon’ny tolotra omena azy ireo.

Mino

Partager sur: