Akora simika: mitarika fahavoazana mafy ho an’ny fahasalamana

Nanaraka fiofanana mahakasika ny fitantanana ny akora simika ny vondrom-paritry ny tontolo iainana Vakinan­karatra sy ireo mpikambana ao anatin’ny komity misahana ny fampandehanana ny ivontoerana fanaraha-maso ny akora simika, ny herinandro teo.
Tanjona ny hahafahana mitantana ara-drariny ny izany mba tsy hitera-doza sy tsy hiparitaka eny amin’ny tontolo iainana.
Miteraka aretina maro isan-karazany ny akora simika. Mitarika fahavoazana ho an’ny fo, ra, avokavoka, atidoha ary ny fananahana izany. Matetika tsy mandray ho zava-dehibe ny fiarovan-tena mandritra ny fampiasana ireo akora ireo ny olona ka rehefa tonga any amin’ny tsy fahasalamana vao tonga saina.
Anisan’ny zava-doza ireo karazana akora simika fampiasa amin’ny fambolena izay miditra mivantana any amin’ny taovan’ny olombelona kanefa tsy mahataitra ny maro izany.
Misy ny fepetra sy fenitra tokony harahina mba hahafahana misoroka ny fahavoazana, ka izany indrindra no an­ton’ny fiofanana. Ilaina ny fanentanana sy fampirisihana ny olona hiaro tena mandritra ny fampiasana ny akora simika mba tsy hitera-doza.
Marihina fa efa napetraka tamin’ny taon-dasa ny drafitrasa izay azo hampiharina ha­tramin’ny taona 2030 mahakasika ny fitantanana ny akora simika eto Madagasikara.

Tatiana A

Partager sur: