DISTRIKAN’I BEALANANA: nahazo fampitaovana ny tantsaha

Natolotra ny 1 aogositra 2024 teo, ny fitaovam-pamokarana ho an’ny mpiompy, ny mpamboly, mitotaly 351 any amin’ny distrika Bealanana, faritra Sofia. Nisitraka izany ny fikambanana tantsaha miisa 14 any amin’ny kaominina miisa 8 (Bealanana, Antsa­maka, Ambatoriaha Atsina­nana, Ambatosia, Beandra­rez­ona, Mangidirano, Maro­taolana ary Ambararatabe Avaratra).
Ho an’ny fiompiana, miisa 13 ny fampikotrehana atody (couveuse), milina fitotoana (broyeur) 6, vata fampanga­tsiahana 9, fefy vy 2 409 m, vatakely mitazona hatsiaka (glaçière) 66, fitaovana fa­namboarana tranon’akoho 1 fft, tavy fihinan’ny akoho 246, tavy fisotroana rano 314, broety vy 54, jiron’akoho 21, reniakoho sy lahy 6 425, sakafon’akoho 11 330 kgs, «pulverisateurs» 44 ary vaksiny 750 tavoahangikely.
Mahakasika ny fambolena, iray ny «motoculteur», «dé­pailler» 1, «motopompe» 6, sarety 2, hersa 5, fihavana 10, zezika «urée» 800 kg, NPK 300 isa.
Tamin’ny alalan’ny tetikasa Fandroso, ao anatin’ny Tahirimbola fampandrosoana ny famokarana (FDA), eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) no nahafahana nanatanteraka izao tohana izao. Mamatsy vola ny tetikasa Rindra ao anatin’ny Von­drona eoropeanina (UE). Anisan’ny kendren’ny tetikasa Fandroso manokana ny tantsaha tanora sy ny vehivavy mpamokatra.

Njaka A.

Partager sur: