Fantina sy fintina

“Efa voasazy isan’andro ny vahoaka. Mbola hosaziana indray koa rehefa tara amin’ny fandoavana faktioran’ny Jirama”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo. Nanteriny fa efa voasazy tsy afaka mianatra, tsy afaka mitady vola noho ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano. “Rahoviana no hosaziana ireo namotika ny Jirama?”, hoy izy.

Nanolotra “Poste avancé” ho an’ny zandary ao Miandrarivo Faratsiho ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy, ny sabotsy teo. “Tsy maintsy tanterahina ny fampanantenana. Midika ho tsy famitahana ny fihazonana ny teny nomena ary fitiavana ny vahoaka sy valim-babena”, hoy izy.

Tsy tokony hihazakazahana ny fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta, araka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. Nanteriny fa tokony ho olona azo antoka no hiara-hiasa amin’ny fitondrana. “Efa naka lesona ny filoha amin’ireo mpivadibadika sy tsy vonona hampandroso tafiditra tao anaty governemanta”, hoy izy.

Mitaky ny hanajana ny lalàna ny kandidà ben’ny Tanàna, Rinah Rakotomanga, araka ny nambarany tao amin’ny Facebook, ny herinandro teo. “Tsy tokony hihoatra ny 31 desambra izao intsony ny hanatanterahina izany”, hoy izy. Efa tokony hajoron’ny filoham-pirenena koa ny governemanta vaovao, taorian’ny diany avy any Afrika, raha ny nambarany.

Partager sur: