Tanjon’ny fandaharanasa Fihariana, araka ny namoronan’ny filoha Rajoelina azy, ny hampiroboroboana ny
fandraharahan’ny tanora. Ao anatin’izany ny hanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, fiofanana ary fanohanana manokana.
Manana paikady mazava ny fandaharanasa Fihariana, ahafahan’ny tanora sy ny vehivavy mpandraharaha mampandroso ny tetikasany. Hita any amin’ny distrika miisa 115, nanomboka ny taona 2019, iarahany miombon’antoka amin’ny banky. Maherin’ny 185 miliara Ar ny famatsiam-bola natao, ka manodidina ny 26 000 ny mpandraharaha notohanana.
Mitohy ny fandaharanasa, ary hoezahina ny hanitarana azy. Hatao vaindohan-draharaha ny hanohanana hatrany ny Malagasy mpandraharaha, ny hanomezana azy ireo tohana ara-bola tsara kokoa, ho an’ny tetikasa mitondra tombontsoa ara-toekarena. Ho tohanana ny lalam-pihariana manana drafitrasa mifanandrify amin’ny tanjon’ny Fihariana. Misy ny fanofanana mifandraika amin’izany, hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpandraharaha.
Ambany ny tahan’ny zanabola
Nanomboka, ny 1 aogositra teo, ny fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo manana tetikasa ao amin’ny adiresy tranokala www.fihariana.mg, na any amin’ireo masoivohon’ny Fihariana miisa 24, any amin’ny faritra. Azo atao koa ny mametraka mivantana ny antontan-taratasy any amin’ny masoivohon’ny banky BNI, BOA ary Société Générale, ho an’ireo orinasa madinika na salantsalany (PME) efa manana fahazoan-dalana ara-dalàna. Marihina fa 9 hatramin’ny 11% ny zanabola, izay taha ambany miohatra amin’ny mahazatra.
Nanamafy ny tonia mpanatanteraka ny Fihariana, Zafindravaka Valérie, fa «Afaka mangataka tohana avokoa ny orinasa vao mitsangana, ny hanitatra ny ambaindainy, na ireo mitady lalam-barotra vaovao. Antoka ho an’ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola ny Fihariana, sady mampiditra ny fanabeazana ara-pandraharahana any am-pianarana».
Njaka Andriantefiarinesy