Nandray an-tanana ireo tra-doza nandritra ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny BC Namorona, nahafatesana olona 6, ny tomponandraikitra ifotony ao Manakara. Nanampy tamin’ny fitondrana ny razana hihazo an’i Vohipeno izy ireo ary mikarakara ireo maratra 11 mbola manaraka fitsaboana. Ireo olona namonjy tsena hody any Ambalona , CR Sandroy no tena voa mafy.
Mampahafantatra ny masoivoho amerikanina fa manomboka ny 5 aogositra izao dia azo atao ny misitraka ny “interview waiver”, raha toa ka mikasa hanavao ny “non immigrant” Visa nivoaka teto Antananarivo ary lany daty tao anatin’ny 48 volana (4 taona). Tsy voatery miverina maka fotoana hanaovana interview intsony raha tafiditra ao anatin’io.
Handrafitra ny toetry ny andro ho an’ny fiandohan’ny herinandro ny fisiana rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy. Hisy ny andian-javona matevina amin’ny faritry ny afovoan-tany izay mila itandreman’ireo mpitatitra amin’ny maraimbe. Manodidina ny 23°C hatramin’ny 34°C ny maripana manerana ny Nosy.
Betsaka ireo midi-trosa ny tokantrano hiatrehina ny fampidirana mpianatra indray ho an’ny taom-pianarana vaovao. Manome izany rahateo ny banky ho fitsinjovana ny ray aman-dreny. Henjana anefa ny fanefana ny trosa avy eo satria mila ho mandavantaona ny fanonerana izany miaraka amin’ny zanabola.