Johary nihira Kintana Telo: tsy lefy laza ny hiran’ny omaly

Ilay fijoro sy fihetsika an-tsehatra, miampy ilay feo manga… Tsy niova i Salomon fa toy ny nahafantarana azy an-tsehatra, tany amin’ny 30 taona lasa ihany. Mbola be mpankafy ihany koa ireo hi­ran’ny omaly novelomin-dry Kintana Telo tamin’izany fotoana, ka naverina nanakoako tetsy amin’ny CCEsca Antani­mena indray, omaly. Nahatra­tra 50 ireo hira nalahatra, izay nanamarika ny Kintana Telo tamin’izany fotoana. Nifarim­bo­na tamin’i Salomon nampiaina izany an-tsehatra kosa ry zalahy tarika Johary, nahitana an’i Luk, Mahery ary i Gothlieb.
“Siokan’ny manina”, anisan’ireo hira nahafantarana ny Kintana Telo, nataon’izy telo lahy tarika Johary niaraka tamin’i Lily sy i Lizah Raseta, izay nanampy teo amin’ny feom-behivavy. Nisesy taorian’izay ireo hira tsy lefy laza, izay niarahan’ny mpijery nihira tamin’ireo teny an-tsehatra. “Ny fahatsiarovanao ahy”, nataon’i Mahery, “Hira” nataon’i Gothlieb, “Ny maraina” naverin’i Luk, sns. Anisan’ny nafana indrindra tao anatin’ny tapany faharoa ny “Ao ihany ve?”, “Inay aho” sy ny “Valse d’amour”, izay hira namaramparana ny seho. Fanamby tanteraka iny ho an’ny LH pro izay nikarakara ny fampisehoana. Miandry fiverenana kosa ireo mpankafy.

Zo ny Aina

Partager sur: