«Journées de Cancerologie de Madagascar»: hankalazaina any Mahajanga ny andiany faha-22

Tanterahina ny 7 sy 8 aogositra 2024, any Mahajanga, ny “Journées de cancerologie de Madagascar”. Anisan’ireo mandray anjara mivantana amin’izany ny Association s’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar (Arom). Hetsika maro no entin’ireo mpitsabo sy mpisehatra eo amin’ny fahasalamana manamarika izany. Hisy ny velakevitra sy fanentanana maro isan-karazany, momba ny homamiadana.
Tsy mitsahatra mampiroborobo ny fikarohana momba ny haihomamiadana ny avy eo anivon’ny Arom, hatramin’izay niforonany. Misy koa ny fanentanana ny sarambabem-bahoaka mahakasika ny aretina. Ity farany izay efa miara-miaina amin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao.
Matetika anefa efa amin’ny dingana tsy misy azo atao intsony vao fantatra ny fisian’izany. Maro ny antony mahatonga izany. Anisany ny tsy fahampian’ny fahalalana mahakasika ny homamiadana. Izany indrindra no antom-pisian’ny Arom sy anisan’ny laharam-pahamehana amin’izao «Journées de cancerologie de Madagascar» izao.
Tafiditra ao anatin’ny tanjona amin’ny hetsika atao ny fametrahana masoivoho eny anivon’ny faritany. Antony nisafidianana an’i Mahajanga amin’ity taona ity.

Lin

Partager sur: