Mirado: matihanina tanteraka ny seho, niara-paly ny mpankafy azy

Ambohipihaonan’ny mpankafy Mirado ny teny amin’ny Kianja Barea. Niezaka ihany koa ny mpikarakara nampiaina izany fotoana izany ho tena mamy.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny tokotany malalaky ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampisehoana niarahana ta­min’i Mirado. Seho nahafinaritra sy matihanina tokoa no natolotr’ity mpanakanto ity sy ny mpikarakara ho an’ireo mpankafy. Niara-paly sy niara-nankafy mivantana ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay ireo mpanaraka akaiky azy. Mahalankalana tokoa man­tsy no ahitana ny fiakarana an-tsehatra ataony. Zary nampifamatotra ny roa tonta, araka izany, ity fampisehoana ity ka nalai-nisaraka ny rehetra teny am-piafaran’ny fampisehoana.

“Tsy ho adinoiko velively ….”, hoy ny tononkiran’i Mirado. Tsy hadino velively tokoa ny hira sy ny kanto nataon’ity mpanakanto ity, na dia efa fotoana maro aza. Toa niverina kely tany amin’ny taona 2007 tany ho any ireo mpankafy Mirado tonga nijery ny fampisehoana nataony. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny taona 2005 hatramin’ny 2010 i Mirado. Mbola mitoetra hatrany anefa ny hirany, ary tsy afaka ambavan’ireo mpankafy azy, na dia eo aza ireo hira maro mitovy gadona aminy mivoaka. Nanakoako teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny “Eto aho”, “Hatrizay”, “Ilay hatsaranao”, “Anjeliko”. “Lasa”, “Soa fa nisy anao” sy ireo hira maro nahafantarana an’i Mirado hatra­min’izay. Teo ihany koa ireo hira vaovaony sahala amin’ny “Ilay kintana”, nivoaka ny taona 2022, ary ny tena nandrasan’ny maro dia ilay hira “Rahatrizay”, izay vao navoakany ny volana jolay teo.
Tsy niova fa ny feo sy ny nahafantarana an’i Mirado hatramin’izay ihany no mbola nentiny nampifaly ny mpankafy azy. Ankoatra ny seho, anisan’ny nanome fahafinaretana ny maso ihany koa ny haingon-tsehatra nentin’ny Ivenco, izay mpikarakara ny hetsika nandravaka ny sehatra.

Lin

Partager sur: