Sombim-baovao

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazana ny faha-59 taonan’ny Maître Razanakolona René. Ady totohondry miisa 60 no nitranga nandritra io 2 andro io, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Tanjona ny hamelomana indray ny taranja.

Nifarana omaly, tany Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Tompondaka ny Bi’As teo amin’ny sokajy vehivavy. Ny Mami kosa no teo amin’ny lehilahy.

Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy, ny Fandrefiala sy ny BC Est. Isa 62 no ho 35 no nandavoan’ny Fandrefiala ny Sepa ABM. Isa 35 no ho 14 kosa no nisarahan’ny BC Est sy ny MB2All, sokajy lehilahy.

Partager sur: