Taratry ny kanto

AmbondronA eny amin’ny Coliseum. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny tarika fa hotontosaina ny alahady 29 septambra izao indray ilay seho goavana ao amin’ity toerana ity. Isaky ny roa taona eo no manome fotoana ny mpankafy azy ao amin’ny Coliseum ny tarika AmbondronA. Ry zareo irery, hatreto, no tarika tokana mahafeno ity toerana fanaovana fampisehoana goavana ity.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny
amin’ny IKM Antsahavola, ny dingana famaranana tamin’ny fifaninanana “Art Oratoire”. Fanilonomen­janahary Mamitiana Victoria, Rakotoarivelo Iaro Mc Duwan, Rakotozafy Angélica Tianafinoana, Velonjara Arianne Mohadjy, Razafitsalama Angelo no niatrika izany dingana izany.

Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 30 aogositra 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny «Atelier fabrique spectacle de théâtre”. Hetsika natao ho an’ireo mpiangaly teatra, indrindra ireo maniry hiditra eo amin’izany zavakanto izany. Atrikasa, fampisehoana fampiharana. Ireo no anisan’ny hisongadina mandritra ny hetsika.

Hanomboka anio hatramin’ny 21 aogositra 2024, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny fifaninanana sary, karakarain’ny fikambanana Varatava. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny “Iray volan’ ny varatava” ity fifaninanana ity. Natao ho an’ireo 13 taona mihoatra ny fifaninanana .

Partager sur: